Mpanoratra tantara lava
Imbitika Rambala
Teraka tamin'ny 29 Aogositra 1944 tao Alakamisy Ambohimaha - Fianarantsoa i Imbitika Rambala. RAMBOANOMENTSOANDRAINY Max Edmond no tena anarany. Manoratra tononkalo, hainteny, sombintantara, tantara an'onjampeo ary sarimihetsika izy.
Nandray anjara tamin'ny fiofanana manoratra tantara an'onjampeo nampanaovin'ny Population Communicati International na PCI tamin'ny 14 - 25 Oktobra 1996. Niaraka nanoratra ny Sarivolana ireo mpiofana avy eo ka anisan'izany i Solofo José sy RAMAMONJISOA Elysé. Anisan'ireo nanoratra ny sarimehitsika mitohy Jiaby Jiaby koa izy. Efa dimy hatreto ny boky navoakany ka ireto avy izany : Eri-maso 1, Eri-maso 2, Eri-maso 3, Eri-maso 4, Kapo-batana sy Tefy manta. Ny amboaran-tsombintantara Dindom-piainana kosa dia niarahany tamin'i Heriarilala Andriamamonjy.
Izy no nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanam-pirenena sokajy sombintantara nokarakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin'ny 2022. Lohahevitra tamin'izany ny hoe : Asa sy ezaka, Iray ihany isika, Tagnamaro. Ampiovana, izay no lohatenin'ny sombintantara nandraisany anjara.
Mpanoratra tantara lava izy. Anisan'ny tantara nandeha amam-bolana tamin'ny onjampeo ny "Sambotra adrisa", "Rabary sy Rajao." Tamin'ny taona 2026 no nivoaka ho boky ity farany. Tantara nitohy tao amin'ny M.B.S radio nanomboka tamin'ny 29 oktobra 2007 hatramin'ny 16 desambra 2007.[1]
Anisan'ny efa namoaka lahatsoratra fanadihadiana tao amin'ny Tranonkala Poetawebs koa Imbitika Rambala.[2]
Ireto avy izany :
- Fanadihadiana ny tononkalon'i Ny Avana Ramanantoanina mitondra ny lohateny hoe Tsarovy[2]
- Tafasirin'i Imbitika Rambala
Santionany amin'ireo tantara an'onjampeo nosoratany :
- Ahy izany fa tsy anao
- Diso tafahoatra ve ?
- Ilay sekolin'i Dada 1-2
- Kirin-jaza
- Rabary sy Rajao
- Rehefa manambady
- Sambotra adrisa
- Traikefa
Manana ny mari-boninahi-pirenena Officier de l'Odre national izy, azony tamin'ny taona 1999 ary tamin'ny taona 2020 kosa no nahazoany no nahazoany mari-boninahitry ny kanto eo amin'ny laharan'ny Commandeur des Arts, des Lettres et de la Culture. Maro ny solon'anarana nentiny ka anisan'izany ny hoe AIR SY MAX na IMBOA.
Anisan'ireo mpanoratra malagasy fanta-daza i Imbitika Rambala.