Mpanoratra
FAMARITANA
[hanova | hanova ny fango]-Jean Nalisoa RAVALITERA:"Zanahary tapany ny mpanoratra satria hainy ny mamorona ny tsy misy mba hisy... Raha zohiana anefa dia toa mpandrafitra ihany izy fa tsy mpamorona akory satria ny zava-misy eo amin'ny manodidina ihany no hatambany".
-Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA:"Azo isaina ho isan'ny zava-mahagagan'ny fisiana ny mpanoratra".
Fehiny: Ny mpanoratra izany dia olona toy ny olona rehetra ihany, saingy nomena fahasoavana manokana handinika akaiky sy lalina kokoa ny zava-misy ka mitatitra izany ho an'ny hafa.
NY ANJARA TOERANY, ANDRAIKINY, LANJANY
[hanova | hanova ny fango]- Milaza ny zava-misy,
- Miaro ny hevitry ny olona, miaro ny soatoavina,
- Mitaiza sy manabe ny mpiara-belona,
- Manome hasina ny tenin-drazana,
- Manefy ny toe-tsain'ny tsirairay...
MAMPIAVAKA AZY
[hanova | hanova ny fango]- Ny fahaizany: hoy i Randza ZANAMIHOATRA ao amin'ny gazety Aingam-pivoarana, lah46:" Tsy maintsy manana fahalalana be dia be mihitsy ny mpanoratra".
- Ny talentany,
-Ny aingam-panahiny