Mpampitohy (fitsipiteny)

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpampitohy dia teny (sokajin-teny) mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin' ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra.

Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa (sady matetika mitovy sokajy) ao amin' ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra ka milaza ny fifampiakinana misy eo amin' ireo fehezankevitra ireo dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]