Hankany amin'ny vontoatiny

Mozika klasika tandrefana

Avy amin'i Wikipedia
Mpikambana ao amin' ny ôrkesitra, mitsangana mba hisaotra ny tehaka azony rehefa avy nanao fampisehoana.

Ny mozika klasika, amin' ny ankapobeny, dia manondro ny mozika ao amin' ny Tontolo Tandrefana, mifototra amin' ny fitsipiky ny fampiaraham-peo sy ny fandrindram-peo, izay heverina ho miavaka amin' ny mozika nentim-paharazana tandrefana na amin' ny mozikam-bahoaka tandrefana. Indraindray izy io dia atao hoe mozika klasika tandrefana, satria ny teny hoe "mozika klasika" dia azo ampiharina koa amin' ny mozika tsy tandrefana. Ny mozika klasika dia matetika manana toetra miavaka noho ny fomba fanao sy ny habe pitsin' ny endrika mozikaly ary ny fomba fandrindram-peo (harmônia), indrindra amin' ny fampiasana andiam-peo (pôlifônia). Nanomboka tamin' ny taonjato faha-9 fara-fahakeliny dia natao an-tsoratra indrindra izy io, ka niteraka fomba fanoratra saro-drafitra, sy niteraka literatiora ahitana famakafakana, fanakianana, fandalinana ara-tantara, ara-mozikôlôjia ary ara-pilôzôfia.

Ny teny hoe "mozika klasika", izay ampiasaina mahafao-be amin' ny fiteny mahazatra, dia ahitana ny fomba fanoratana mozika rehetra izay namakivaky ny tantaran' ny mozika tandrefana, manomboka amin' ny hira gregôrianina na ny rafi-panoratana araka an' i Guido d'Arezzo ka hatramin' ireo mpisava lalana amin' ny fanavaozana isan-karazany amin' ny fananadramana nanomboka tamin' ny taona 1945.