Moskôgy (vahoaka)
Fiseho

Ny Moskôgy dia vahoaka amerindiana izay nonina tany atsimo-atsinanana amin' i Etazonia. Anisan' ny fokom-pirenena dimy nadray sivilizasiôna izy ireo. Miantso ny tenany ho Muscogee na Muskogee izy ireo. Soratana hoe Mvskoke araka ny tsipelina nentim-paharazana, ny anarana farany, izay ampiasain' izy ireo amin' izao fotoana izao. Atao hoe Creeks izy ireo dia amin' ny teny anglisy. Mipetraka indrindra any Oklahoma, any Alabama, any Georgia ary any Florida ny Moskôgy ankehitriny. Anisan' ny fianakaviam-piteny moskôgiana ny fitenin' izy ireo, izay atao hoe fiteny moskôgy. Ny Seminôla dia mpihavana akaiky amin' ny Moskôgy ary mampiasa ny fiteny moskôgy ihany koa.