Morus

Ny Morus dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Moraceae, teratany any amin' ny faritra manana toetany antonony sy sobtrôpikaly any Azia, any Eorôpa, aty Afrika ary any Amerika, izay ahitana karazana 17 nekena. Izy ireo dia hazo na hazobotry mihintsan-dravina, izay mônôika na diôika. Ny karazana sasany dia ambolena hahazoana voany na ny raviny, izay atao sakafo ho an' ny bibin-dandy, na hatao haingon-trano.

Ny Morus dia tsy tokony hafangaro amin' ny Rubus, izay zavamaniry mianika ao amin' ny fianakaviana Rosaceae, izay mitovitovy endrika sy tsiro ny voany, ary matetika antsoina amin' ny anarana hoe "roy" na "voaroy" na anarana manomboka amin' ireo teny ireo noho izy ireo mitovitovy.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny Morus araka ny The Plant List (25 Jona 2019):
- Morus alba L.
- Morus alba var. indica
- Morus alba var. latifolia na Morus multicaulis Perrottet na Morus alba var. multicaulis (Perr.) Loudon
- Morus australis Poir.
- Morus cathayana Hemsl.
- Morus celtidifolia Kunth
- Morus indica L. na Morus alba var. indica (L.) Bureau
- Morus insignis Bureau
- Morus japonica Audib.
- Morus liboensis S.S. Chang
- Morus macroura Miq.
- Morus mesozygia Stapf
- Morus mongolica (Bureau) C.K. Schneid.
- Morus nigra L.
- Morus notabilis C.K. Schneid.
- Morus rubra L.
- Morus serrata Roxb.
- Morus trilobata (S.S. Chang) Z.Y. Cao
- Morus wittiorum Hand.-Mazz.
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ny karazana Morus dia tena tsy dia misy loatra eto Madagasikara. Ny karazana misy eto dia nampidirina sy ambolena, dia ireto izany:
- Morus alba L. -- hazondandy, voankazondandy, voaroihazo, vorihazo
- Morus nigra L. --