Hankany amin'ny vontoatiny

Monero

Avy amin'i Wikipedia
Ny logo-n'i Monero.

Monero (kaody ara-bola: XMR) dia vola nomerika miorina amin’ny teknolojia fitahirizana angon-drakitra mifamatotra antsoina hoe blockchain, natsangana tamin’ny 18 aprily 2014. Izy dia novolavolaina avy amin’ny rafitra CryptoNote, izay nifantoka tamin’ny famoronana rafitra fifanakalozana tsy azo arahina maso sy manome tsiambaratelo tanteraka ho an’ny mpampiasa azy. Ny anarana hoe Monero dia avy amin’ny teny Esperanto, izay midika hoe vola madinika na vola kely.[1][2][3]

Ny tanjona fototra amin’i Monero dia ny hanomeana fahafahana ara-bola tanteraka amin’ny alalan’ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny mpampiasa sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso na fanarahana. Tsy toy ny vola nomerika maro hafa, toy ny Bitcoin, izay ahafahana manara-maso mora ny fifanakalozana rehetra sy ireo adiresy ampiasaina, i Monero kosa dia manafina tanteraka ny mombamomba ny mpandefa, ny mpandray, ary ny vola ampitaina. Mampiasa fomba manokana izy amin’ny fanasonia anaty vondrona, famoronana adiresy miafina, ary ny fanafenana tanteraka ny vola fifanakalozana, ka mahatonga ny fifanakalozana tsy ho hita maso amin’ny rehetra.

Amin’ny lafiny ara-teknika, i Monero dia mampiasa fomba fanamarinana antsoina hoe porofim-piasana, izay azo tanterahina amin’ny solosaina tsotra tsy mila fitaovana manokana lafo. Ity fomba ity dia antsoina hoe fitrandrahana na mining amin’ny teny anglisy. Amin’ny alalan’ny fitrandrahana no ahazoana vola vaovao, ka amin’ny blôka vaovao tsirairay dia mamoaka vola 0,6 XMR ho an’ny mpitrandraka, ary izany dia hitohy mandrakizay. Tsy tahaka ny Bitcoin izay voafetra amin’ny famokarana vola madinika 21 tapitrisa monja, i Monero kosa dia tsy manana fetra amin’ny isan’ny vola madinika azo vokarina.[4]

Na dia eo aza ny fitsikerana mety hiseho momba ny fampiasana an’i Monero amin’ny asa tsy ara-dalàna, toy ny fanasana vola na fividianana zavatra tsy ara-dalàna amin’ny aterineto miafina, dia heverin’ny maro amin’ireo mpampiasa azy sy ny mpanohana ny zon’olombelona fa fitaovana tena ilaina izy amin’ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny fahalalahana, indrindra any amin’ireo firenena misy faneriterena ara-politika sy fanaraha-maso tafahoatra amin’ny raharaha ara-bola.[5][6]

Monero dia tetikasa misokatra, tantanan’ny fiarahamonina maneran-tany, ary tsy misy fikambanana tokana mitantana azy. Ny fivoarany dia miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny olona an-tsitrapo sy ny mpampiasa maniry hanatsara ny rafitra.[7]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. (2020-06-16) Blockchain: Capabilities, Economic Viability, and the Socio-Technical Environment (in en). vdf Hochschulverlag AG, 166.
  2. (2022-08-08) Blockchain Fundamentals for Web 3.0: - (in en). University of Arkansas Press, 9–33.
  3. "Monero, the Drug Dealer's Cryptocurrency of Choice, Is on Fire". WIRED. Archived from the original on 2018-12-10. Retrieved 2017-11-22.
  4. Émission résiduelle sur getmonero.org Archived Aogositra 13, 2025 at the Wayback Machine
  5. Sigalos, MacKenzie (2021-06-13). "Why some cyber criminals are ditching bitcoin for a cryptocurrency called monero". CNBC (in Anglisy). Archived from the original on 13 June 2021. Retrieved 2021-06-22.
  6. Monero Outlines the Fundamental Right to Privacy and How They Will Preserve It sur blokt.com
  7. Un bref historique sur getmonero.org