Mombasa

I Mombasa dia tanàna seranan-tsambo any amin' ny faritra atsimo amin' i Kenià, ao amin' ny Ranomasimbe Indianina; renivohitry ny Kôntean' i Mombasa izy io. Any amin' ny 440 km atsimo-atsinanan' ny renivohitra Nairobi no misy azy.
I Mombasa dia ahitana ny tanàna tranainy, eo amin' ny nosy kely iray — Mvita — mirefy 14,1 km2 miforona avy amin' ny fihaonan' ny vinanin-dranomasina roa, ary ny morontsirany atsimo-atsinanana dia manamorona ilay ranomasimbe. Ity nosy ity dia voahodidin' ny faritra metrôpôlitanina niforina vao haingana izay mihoatra ny 200 km2, izay nivoatra tao amin' ny tanibe. Ity faritra vaovao ity dia mifandray amin' i Mvita amin' ny alalan' ny tetezana maro sy sambo.
Tamin' ny taona 2009 dia 75 153 ny isan' ny mponina tao Mvita ary 939 370 ny isan' ny mponina ao amin' ny tangoron-tanàna, ka izany no nahatonga azy ho tangoron-tanàna faharoa lehibe indrindra ao aorian' i Nairobi ao Kenià raha jerena ny isan' ny mponina.