Mololo
Fiseho

Ny mololo dia ampahany amin' ny tahonin' ny zavamaniry sasany toy ny vary, ny varimbazaha, ny vary ôrza, sns, izay tapahina miaraka amin' ny salohy rehefa atao ny fijinjana. Matetika izy io dia vokatra miaraka amin' ny voa. Azo atao ny mandevina ny mololo eny an-toerana ihany mba hanatsarana ny tany amin' ny akora ôrganika avy aminy, na entina any amin' ny toeran-kafa mba hanaovana zavatra hafa. Ny ampahany amin' ny taho, izay sisa ao anaty tany tamin' ny notapahina sady iva, no atao hoe vody vary.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Aza manao dihy ambony mololo: mievotrevotra tsy mahay.
- Miroborobo toa afo-mololo.