Mismetaly
Fiseho
Ny mismetaly dia tsaman' ny samy tany hamatra amin' ny fatra samihafa, ahitana taratra ny fiseho voajanaharin' ize ireo. Manodidina ny 45 % hatramin' ny 50 % amin' izany ny seriôma, 25 % ny lantanina, 15 hatramin' ny 20 % ny neôdima, ary 5 % ny praseôdima. Ampiasaina indrindra amin' ny fanamboarana vatom-brike izy io. Koa satria malemy loatra ka tsy manome pitik' afo tsara, dia afangaro amin' ny vy sy amin' ny maneziôma, izay mamorona ferôseriôma, izay mafy kokoa ary tsy dia miota loatra amin' ny fikikisana noho ny tsaman' ny lantanida madio.