Hankany amin'ny vontoatiny

Mimosaceae

Avy amin'i Wikipedia
Mimosa spegazzin

Ny Mimosaceae dia fianakavian-javamaniry mamony, ao amin' ny filaharana Fabales. Hazo na hazobotry maniry aty amin' ny faritra mafana izy ireo. Ny fanasokajiana mifototra amin' ny famakafakana filôjenetika amin' izao fotoana izao dia nahatonga ity fianakaviana ity ho lany andro. Ny vondron-karazana ao aminy dia mitovy amin' ny an' ny zana-pianakaviana Mimosoideae ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, indrindra ny vondron-karazana Acacia izay ahitana ny ankamaroan' ny karazana ao aminy.