Aller au contenu

Milimetatra

Avy amin'i Wikipedia
Iray milimetatra sy iray santimetatra

Ny milimetatra, izay hafohezina amin' ny hoe mm, dia ventin-kalava ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty, izay mitovy amin' ny ampaharivon' ny metatra, izay venty fototra amin' ny halava ao amin' io rafitra io. Noho izany, misy arivo milimetatra ny iray metatra. Misy folo milimetatra ny iray santimetatra. Ny milimetatra iray dia mitovy amin' ny 1 000 mikrômetatra na 1 000 000 nanômetatra.

Amin' ny resaka herinaratra, ny savaivon' ny tariby mpampita aratra dia omena amin' ny milimetatra toradroa.

High-quality engineering rulers may be graduated in increments of 0.5 mm. Digital callipers are commonly capable of reading increments as small as 0.01 mm. Amin' ny fitsipika metrika, ny refy kely indrindra dia ny milimetatra. Ny fitsipiky ny injenieria avo lenta dia mety hisy teti-drefy 0,5 mm.

Ny habe kely indrindra azon' ny mason' olombelona avahana dia manodidina ny 0,02 hatramin' ny 0,04 mm, izany hoe mitovy amin' ny savaivon' ny volon' olombelona. Matetika eo anelanelan' ny 0,07 mm sy 0,18 mm ny hatevin' ny taratasy iray, fa ny taratasy fanontam-pirinty mahazatra na taratasy fanaovana dika mitovy dia eo amin' ny 0,1 mm eo ho eo ny hateviny.

Kilômetatra 0,000 001 0,000 01 0,000 1 0,001 0,01 0,1 1
Hektômetatra 0,000 01 0,000 1 0,001 0,01 0,1 1 10
Dekametatra 0,000 1 0,001 0,01 0,1 1 10 100
Metatra 0,001 0,01 0,1 1 10 100 1 000
Desimetatra 0,01 0,1 1 10 100 1 000 10 000
Santimetatra 0,1 1 10 100 1 000 10 000 100 000
Milimetatra 1 10 100 1 000 10 000 100 000 1 000 000
Mikrômetatra 1 000 10 000 100 000 1 000 000 10 000 000 100 000 000 1 000 000 000

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]