Aller au contenu

Mikrômetatra

Avy amin'i Wikipedia
Tsiraka karbônina mierfy 6 μm, oharina amin' ny volon' olombelona mirefy 50 μm (0, 05 mm)

Ny mikrômetatra, izay hafohezina amin' ny hoe μm, dia ventin-kalava ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty, izay mira amin' ny iray ampahiray tapitrisan' ny metatra (1/1 000 000) na iray ampaharivon' ny milimetatra (1/1 000).

Ny mikrômetatra no venty mahazatra andrefesana ny halavan' ny onjan' ny taratra ambanin' ny mena sy ny haben' ny selan-javamananaina sy ny bakteria, ary ny fanasokajiana ny volonondry arakaraka savaivon' ny tsiraka. Ny savaivon' ny volon' olombelona tokana dia eo amin' ny 20 ka hatramin' ny 200 μm eo ho eo.

Metatra 0,000 001 0,000 01 0,000 1 0,001 0,01 0,1 1
Desimetatra 0,000 01 0,000 1 0,001 0,01 0,1 1 10
Santimetatra 0,00 01 0,001 0,01 0,1 1 10 100
Milimetatra 0,001 0,01 0,1 1 10 100 1 000
Mikrômetatra 1 10 100 1 000 10 000 100 000 1 000 000

Tsy ny mikrômetatra no ventin-kalava kely indrindra fa mbola ao ny nanômetatra (nm), ny pikômetatra (pm), ny femtômetatra (fm) ary ny atômetatra (am).

Mikrômetatra 1
Nanômetatra 1 000
Pikômetatra 1 000 000
Femtômetatra 1 000 000 000
Atômetatra 1 000 000 000 000

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]