Hankany amin'ny vontoatiny

Metaly mavesatra

Avy amin'i Wikipedia
Ny kristalin' ny ôsmiôma, metaly mavesatra manana lanja isam-bentin-kadiry efa ho avo roa heny noho ny an' ny firamainty.

Ny metaly mavesatra dia metaly manana lanja isam-bentin-kadiry mihoatra ny 5 g/sm³ (na 5 000 kg/m3) ary matetika mety poizina ho an' ny zavamananaina na dia amin' ny fatra kely aza. Tsy misy famaritana hentitra ny metaly mavesatra, fa amin' ny ankapobeny izy ireo dia manana lanja isam-bentin-kadiry mihoatra ny 5 g/sm³ (mihoatra ny indimin' ny an' ny rano madio). Misy mantsy ny metaly poizina izay mavesatra tokoa sy ny metalôida izay tsy dia mavesatra loatra. Poizina ny ankamaroan' ny metaly mavesatra, izany tokoa ny sasany na dia amin' ny fatrany ambany aza, fa ny sasany kosa dia tena ilaina amin' ny ampahany kely nefa lasa poizina raha mihoatra ny fetra voafaritra; misy vitsivitsy ihany koa ny radiôaktifa. Ny fisiany amin' ny fatra ambony ao amin' ny tontolo iainana (rano, rivotra, tany, zavamananaina) dia avy amin' ny asan' ny olombelona (indostria, fitaterana, zezika misy kadmiôma, poizim-bibikely misy firamainty na arsenika, sns) sy voajanahary (afotroa sy fiovan' ny mineraly voalohany).

Ny sasany amin' izy ireo dia arahi-maso ao amin' ny rano, ao amin' ny rivotra, ao amin' ny tany, ao amin' ny sakafo, ao amin' ny fotaka avy amin' ny fanadiovana, sns. Ankoatra izany, misy olana vaovao ateraky ny potika metaly bitika noho ny toetran' izy ireo vaovao (ary ny sasany anefa dia efa nampiasaina be; ny potika volafotsy bitika, ohatra). Ny metaly sasany dia tena ilaina amin' ny fatra kely ary ny hafa dia tena poizina; noho izany dia nanolotra ho anisan' ny tokony hozahana amin' ny fitsirihana ra mahazatra sy amin' ny fanombananm-pahasalamana izy ireo tamin' ny taona 2010.

Noho ny tsy fisian' ny famaritana mazava sy ifanarahan' ny rehetra dia misy ny singa simika izay lazain' ny sasany fa metaly mavesatra nefa tsy ataon' ny hafa ho anisan' izany. Ny arsenika, izay indraindray misy miantso hoe "metaly mavesatra" sady poizina, dia tsy metaly fa metalôida, toy ny antimoanina koa. Matetika dia anisan' ny singam-pamaritana ny maha poizina ilay akora, koa raha miresaka momba ny metaly mavesatra dia ireo izay heverina fa poizina no ao an-tsaina amin' izany.

Metaly mavesatra sasany

[hanova | hanova ny fango]
  • Metaly mavesatra sady poizina na dia amin' ny fatrany ambany:
    • volavelona na merkiora (Hg) - 13,53 g/sm³ - tena poizina amin' ny fatra µg/L vitsivitsy;
    • firamainty (Pb) - 11,34 g/sm³ - tena poizina amin' ny fatra µg/L vitsivitsy ao amin' ny rano fisotro;
    • kadmiôma (Cd) - 8,65 g/sm³ - tena poizina amin' ny fatra µg/L vitsivitsy;
    • taliôma (Tl) - 11,85 g/sm³ - tena poizina amin' ny fatra µg/L vitsivitsy;
  • Metaly mavesatra ilaina amin' ny fatra ambany nefa poizina amin' ny fatra ambony:
    • vy (Fe) - 7,87 g/sm³ - tena ilaina amin' ny fitaterana ny ôksizenina sy ny anzima, nefa poizina raha tafiditra anaty fandevonan-kanina mihoatra ny 45 mg isan' andro;
    • varahina (Cu) - 8,96 g/sm³ - tena ilaina ho an' ny anzima sy ny metabôlisma, nefa poizina maharitra ela raha mihoatra ny 1,3 mg/L ao amin' ny rano fisotro;
    • fanitso (Zn) - 7,14 g/sm³ - tena ilaina ho an' ny anzima sy ny fitomboana, nefa poizina mitaiza raha mihoatra ny 5 mg isan' andro ao amin' ny olon-dehibe;
    • manganezy (Mn) - 7,43 g/sm³ - tena ilaina ho an' ny metabôlisma sy ny taolana, nefa poizina maharitra ela raha mihoatra ny 0,4 mg/L ao amin' ny rano fisotro;
    • kôbalta (Co) - 8,90 g/sm³ - tena ilaina ho an' ny vitaminina B₁₂, nefa poizina mitaiza raha migiatra ny 0,1 mg/L ao amin' ny rano fisotro;
    • krôma (Cr) (indrindra ny Cr (VI)) - 7,19 g/sm³ - tena ilaina izy amin' ny endrika Cr(III), nefa misy poizina ao amin' ny endrika Cr(VI) manomboka amin' ny 0,05 mg/L;
  • Metaly mavesatra saro-bidy, tsy poizina amin' ny fatra kely, nefa tena mavesatra:
    • volamena (Au) - 19,3 g/sm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika sady tsy poizina amin' ny fatra mahazatra;
    • volamahery na platinina (Pt) - 21,45 g/sm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa misy poizina kely ary mety tsy ho zakan' ny taova sasany;
    • volafotsy (Ag) (mety ho poizina taha amin' ny fatra ambony) - 10,49 g/sm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa poizina mitaiza raha mihoatrany 0,1 mg/L (fiovan-dokon' ny hoditra sy ny hoho ary ny tambatsela hafa, atao hoe arziria)
    • paladiôma (Pd) - 12,02 g/cm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, poizina kely nefa mety hist fiantraikany lehibe any amin' ny indostria (tsy fahazakan' ny taova sasany, fiantraikany amin' ny voa na amin' ny aty).
    • ôsmiôma (Os) - 22,59 g/cm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa tena poizina amin' ny endrika tetraôksidana ôsmiôma (OsO₄) izay vainga mora lasa etona.
    • iridiôma (Ir) - 22,56 g/cm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa poizina kely, indrindra miteraka olana mekanika na simika;
  • Metaly mavesatra radiôaktifa:
    • oraniôma (U) - 18,95 g/sm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa poizina simika sy radiôlôgika manomboka amin' ny 0,03 mg/L;
    • tôriôma (Th) - 11,72 g/sm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, nefa poizina radiôlôjika amin' ny fatrany ambany dia ambany;
    • plotôniôma (Pu) (voatr' olombelona, nefa tena mavesatra) - 19,84 g/cm³ - tsy ilaina amin' ny fiainana biôlôjika, tena poizina simika ary indrindra radiôlôjika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]