Metaly maivana
Fiseho

Ny metaly maivana dia metaly izay somary ambany lanja isam-bentin-kadiry, latsaky ny 5 g/sm3. Izy ireo dia mety ho singa madio, fa matetika kokoa dia tsama metaly. Ny litiôma sy ny pôtasiôma no singa simika metaly roa maivana indrindra.
Ny tsaman' ny maneziôma sy ny an' ny viraty (na alominiôma) ary ny an' ny titanina dia metaly maivana manan-danja lehibe ara-barotra. Ny lanja isam-bentin-kadirin' izy ireo (1,7 g/sm³ sy 2,7 g/sm³ ary 4,5 g/sm³) dia eo amin' ny 19 ka hatramin' ny 56 % amin' ny an' ny metaly hafa fanaovana rafitra, toy ny vy (7,9 g/sm³) sy ny varahina (8,9 g/sm³). Tsara hampahatsiahivina fa ny metaky mavesatra dia manana lanja isam-bentin-kadiry mihoatra ny 5 g/sm3.