Metaly alkalinina

Ny metaly alkalinina dia singa simika ao amin' ny tsanganana voalohany (vondrona voalohany) ao amin' ny tabilaon-tsingerina, afa-tsy ny hidrôzenina. Ireto izy ireo: ny litiôma 3Li, ny sôdiôma 11Na, ny pôtasiôma 19K, ny robidiôma 37Rb, ny seziôma 55Cs ary ny fransiôma 87Fr. Mamorona fianakaviana tena ranoray izy ireo ka ohatra tsara indrindra amin' ny fiovaovan' ny toetra simika sy fizika eo amin' ny samy singa anaty vondrona ao amin' ny tabilaon-tsingerina.
Avy amin' ny teny arabo hoe al-qily, izay manondro ny lavenon' ny zavamaniry, izay betsaka pôtasiôma, ny teny hoe alkalinina.
Amin' ny toe-javatra manara-penitra, ny zaka tsotra dia metaly mamiratra sy malefaka ary tena miota amin' ny rivotra. Azo tapahina amin’ ny antsy izy ireo noho ny hakelin' ny hamafiny, ka mamela silaka mamiratra. Amin' io endrika metaly io dia manary mora foana elektrônam-pifandraisana ny atômany ka mamoronana katiôna misy fahan' aratra +1. Izany dia manazava ny fahamoran' ny fiotan' izy ireo eny amin' ny rivotra. Raha ny marina dia malaky matroka izy ireo amin' ny alalan' ny fiharafesenina raha iharan' ny diôksizenina (O2) sy ny hamandoan' ny rivotra; ny litiôma koa dia miota amin' ny diazôta (na dinitrôzenina N2). Noho izany dia tsy hita amin' ny endrika singa teratany velively izy ireo; tsy maintsy tehirizina ao anaty menaka mineraly izy ireo mba tsy ho azon' ny rivotra, ohatra, menaka parafinina. Mihabe io fahamora miota io arakaraka ny isa atômika, izany hoe midina manaraka ny tsanganana: metaly alkalinina faha-5 ny seziôma ka izy no manana fiota mahery indrindra amin' ny metaly rehetra.
Ny sôdiôma no metaly alkalinina betsaka indrindra ao amin' ny tontolo voajanahary, arahin' ny pôtasiôma, ny litiôma, ny robidiôma, ny seziôma ary ny fransiôma, izay tena tsy fahita firy (tsy mihoatra ny telopolo grama eto amion' ny vohon' ny Tany manontolo) noho ny taratra radiôaktifany avo dia avo (antsasak' androm-piainana 22 minitra). Ampiasaina amin' ny teknôlôjia sy indostria isan-karazany ireo singa ireo. Ampiasaina amin' ny famantaranandro atômika sy ny fomba famantarana daty ny robidiôma ary indrindra ny seziôma 133, satria manome ny fandrefesam-potoana marina indrindra ny 133Cs. Manana fampiasana indostrialy maro ny sôdiôma, ohatra ranoka mpamindra hafanana, na amin' ny jiro mandeha etona sôdiôma. Hita betsaka eo amin' ny fiainana andavanandro ny taharo amin' ny sôdiôma, toy ny sira fanao sakafo, izay voaforonn' ny klôriora-na sôdiôma (NaCl), soda (hidrôksida-na sôdiôma NaOH), na ny ranon' i Javel koa aza. Singa manan-danja izay mitana anjara toerana eo amin' ny tenan' ny zavamananaina ny sôdiôma sy ny pôtasiôma.