Meropidae

Ny Meropidae dia fianakaviam-borona ao amlin' ny filaharabna Coraciiformes, izay ahitana vondron-karazana telo sy karazany iraika amby telopolo. Ny ankamaroan' ny karazana dia hita any Afrika sy Azia, ary vitsivitsy any amin'ny faritra atsimo amin'i Eorôpa sy any Aostralia ary any Ginea Vaovao. Mampiavaka azy ireo ny volony maro loko, ny vatany mahia, ary ny volom-bodiny afovoany mazàna lava. Izy rehetra dia manana vava lava mifaingoka midina ary elatra antonony na lava, izay manana tendro maranitra na boribory. Mitovy matetika ny volon'ny lahy sy ny an'ny vavy.
Ny karazam-borona ao amin'ny fianakaviana Meropidae dia mihinana bibikely manidina, indrindra fa ny tantely sy ny fanenitra, izay samboriny eny am-pnidinana. Akapokapony sy akasokasony amin' ny zavatra mafy ilay bibikely mba hanesorany ny fanindronany. Izany dia ataony amin' ny fanereny ny vatan'ilay bibikely ka mamoaka ny ankamaroan' ny poizina.
Ny ankamaroan'ny karazana ao amin'ny Meropidae dia mandeha maro. Mamorona andiany izy ireo, manao akany anaty lavaka amin' ny handrintany fasehana mijidina izay matetika eny amoron-drenirano na eny amin'ny tany fisaka. Noho izy ireo amin' ny ankapobeny miaina amin' andiany, dia ahitana akany mivondrona. Fotsy ny atodiny, ary matetika dia dimy isaky ny reniny. Ny ankamaroan' ny karazana dia manana vady tokana, ary samy mikarakara ny zanany ny lahy sy ny vavy, indraindray miaraka amin'ny fanampian'ny vorona mifandray ao amin'ilay vondrona.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]- Nyctyornis amictus
- Nyctyornis athertoni
- Meropogon forsteni
- Merops albicollis
- Merops apiaster
- Merops boehmi
- Merops breweri
- Merops bulocki
- Merops bullockoides
- Merops gularis
- Merops hirundineus
- Merops malimbicus
- Merops mentalis
- Merops muelleri
- Merops nubicoides
- Merops nubicus
- Merops oreobates
- Merops orientalis
- Merops persicus
- Merops pusillus
- Merops revoilii
- Merops superciliosus
- Merops variegatus