Menaka zavamaniry
Fiseho

Ny menaka zavamaniry dia zaka matavy miendrika ranoka raha ao amin' ny mari-panan' efitrano, azo avy amin' ny zavamaniry misy menaka, izany hoe zavamaniry misy lipida ny voany.
Karazany
[hanova | hanova ny fango]Ny menaka zavamaniry dia mety manondro menaka isan-karazany:
- menaka fihinana: ampiasaina amin' ny sakafo;
- menaka zavamaniry fandoro: ampiasaina ho fandoro na ho fanampiny ao amin' ny môtera mampiasa hafanana;
- menaka zavamaniry atao fandrehitra: atao fandrehitra ain' ny jiro ampiasana menaka, ohatra;
- menaka ampiasaina amin' ny kôsmetika na amin' ny farmasia;
Famokarana
[hanova | hanova ny fango]Ny famokarana menaka zavamaniry dia avy amin' ireto zavamaniry misy menaka ireto tamin'ny taona 2012: palma 35 %, sôza 27 %, kôlza 25 %, tanamasoandro 10 %, palmista 3 %. Ny palmie famboara-menaka dia manome vokatra be dia be satria miantoka ny ampahatelon' ny famokarana menaka zavamaniry eran-tany amin' ny alalan' ny fambolena azy amin' ny 7 % amin' ny tany ambolena zavamaniry misy menaka.
Indreto ny karazana menaka araka ny zavamaniry nakana azy:
- menaka palma (Elaies guineensis),
- menaka sôzà (Glycine max),
- menaka kôlza (Brassica napus) sy motarda,
- menaka tanamasoandro (Helianthus annuus),
- menaka palmista (Elaeis guineensis),
- menaka voanjo (Arachis hypogaea),
- menaka landihazo (Gossypium sp.),
- menaka ôliva (Olea europaea), menaka voanio (Cocos nucifera),
- menaka katsaka (Zea mays),
- menaka ampombom-bary (Oryza),
- menaka voamaho (Sesamum indicum),
- menaka nizela mainty (Nigella sativa),
- menaka vihim-boaloboka (Vitis),
- menaka karite (Vitellaria paradoxa),
- menaka vihin-drongonimbazaha (Linum usitatissimum),
- menaka kanabidiôla.