Meliaceae
Ny Meliaceae dia fianakaviana hazo sy kirihitra trôpikaly mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Sapindales. Misy ihany koa ny zavamaniry ahitra sy honko vitsivitsy. Misy vondron-karazana 50 eo ho eo izay itsinjaran' ny karazana manodidina ny 600 izy io. Ny Aglaia (karazana 100), ny Trichilia (karazana 65), ny Turraea (karazana 65) ary ny Dysoxylum (karazana 61) no vondron-karazana lehibe indrindra ao aminy. Ny vondron-karazana Toona dia fahita hatrany avaratra mankany amin' ny faritra manana toetany antonony any Sina ary mianatsimo mankany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Aostralia, ny vondron-karazana Synoum mankany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Aostralia, ary ny vondron-karazana Melia dia saika hatrany avaratra. Matetika izy ireo dia maniry ambanin' ny hazo avo any amin' ny ala trôpikaly mando, nefa hita ihany koa eny amin' ny ala honko sy any amin' ny faritra maina. Miavaka amin' ny fananany ravina mifandimby, izay mazàna miendrika volom-borona, izy ireo. Maitso lalandava ny ankamaroan' ny karazana, fa mihintsan-dravina kosa ny sasany, na amin' ny vanim-potoana maina na amin' ny ririnina.
Fampiasana azy ireo
[hanova | hanova ny fango]Karazana maro no ampiasaina hahazoana menaka zavamaniry, hanaovana savony, hamonoana bibikely, ary hahazoana hazo sarobidy ao amin' nhy vondron-karazana Swietenia (Swietenia macrophylla, Swietenia mahagoni, Swietenia humilis).
Ahitana vondron-karazana sy karazana manan-danja ara-toekarena koa ny ao amin' ity fianakaviana ity:
- ny Azadirachta indica (nimo, any India)
- ny Carapa (ahitana ny Carapa procera any Amerika Atsimo sy ao Afrika);
- ny Cedrela odorata (any Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo);
- ny Entandrophragma (anisany ny Entandrophragma cylindricum sy ny Entandrophragma utile ao Afrika trôpikaly);
- ny Guarea (ahitana ny Guarea thompsonii sy ny Guarea cedrata ao Afrika);
- ny Khaya (ahitana ny Khaya ivorensis sy ny Khaya senegalensis ao Afrika trôpikaly);
- ny Lansium domesticum (volena any Azia Atsimo-Atsinanana mba hahazoana voany azo hanina);
- ny Melia azedarach (voandelaka, hita indrindra any amin' ny faritra Indômaley sy Aostralazia)
- ny Sandoricum koetjape (ambolena any Azia Atsimo-Atsinanana sy Azia Atsimo mba hahazoana voany azo hanina);
- ny Swietenia (vondron-karazana fahta indrindra any Amerika trôpikaly);
- ny Toona (any Azia trôpikaly sy any Malezia ary Aostralia, indrindra ny Toona ciliata).
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]
Mizara ho zana-pianakaviana ny Meliaceae, dia ny Cedreloideae sy ny Melioideae, izay tohanan' ny porofo momba ny filôjenetika.
Zana-pianakaviana Cedreloideae na Swietenioideae
[hanova | hanova ny fango]- Capuronianthus J.-F.Leroy
Zana-pianakaviana Melioideae
[hanova | hanova ny fango]- Aglaia Lour.
- Anthocarapa Pierre
- Aphanamixis Blume
- Astrotrichilia (Harms) T.D.Penn. & Styles
- Azadirachta A.Juss.
- Cabralea A.Juss.
- Calodecaryia Leroy
- Chisocheton Blume
- Cipadessa Blume
- Didymocheton Blume
- Dysoxylum Blume ex Raspail
- Ekebergia Sparrm.
- Epicharis Blume
- Goniocheton Blume
- Guarea Allemão ex L.
- Heckeldora Pierre
- Heynea Roxb.
- Humbertioturraea J.-F.Leroy
- Lansium Corrêa
- Lepidotrichilia (Harms) T.D.Penn. & Styles
- Leplaea Vermoesen
- Malleastrum (Baill.) J.-F.Leroy
- Melia L.
- Munronia Wight
- Naregamia Wight & Arn.
- Neoguarea (Harms) E.J.M.Koenen & J.J.de Wilde
- Nymania Lindb.
- Owenia F.Muell.
- Prasoxylon M.Roem.
- Pseudobersama Verdc.
- Pseudocarapa Hemsl.
- Pseudoclausena T.Clark
- Pterorhachis Harms
- Quivisianthe Baill.
- Reinwardtiodendron Koord.
- Ruagea H.Karst.
- Sandoricum Cav.
- Sphaerosacme Wall. ex M.Roem.
- Synoum A.Juss.
- Trichilia P.Browne
- Turraea L.
- Turraeanthus Baill.
- Vavaea Benth.
- Walsura Roxb.