Melaleuca quinquenervia

Ny Melaleuca quinquenervia dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Myrtaceae. Hazo teratany any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Aostralia sy any Nouvelle-Calédonie izy io. Fantatra amin' ny anarana hoe niaouli izay nohagasina hoe niaoly izy io. Nambolena any amin' ny faritra trôpikaly maro io karazana io noho ny hazony, sy ny voniny hamokarana tantely, ary ny raviny hamokarana menakamanitra. Ampiasaina ho zavamaniry fanao haingo ihany koa izy io any amin' ny firenena maro, saingy indraindray dia lasa zavamaniry manafika, indrindra noho izy manimba ny tontolo iainana misy honahona toy ny any Everglades (Florida).
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny ankapobeny dia hazo salantsalany (4 ka hatramin' ny 12 m) ny Melaleuca quinquenervia nefa mety hahatratra 25 m. Matetika izy io dia manana bika mivilambilana, zara raha mahitsy. Ny vatany dia rakotra hodi-kazo fotsy, maherin' ny iray santimetatra ny hateviny, kaboaka, izay fitambarana takelaka mifanosona maro, hita miofakofaka. Malandilandy ny rantsana tanora.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Toy ny ankamaroan' ny karazana ao amin' ny Melaleuca, dia miavaka noho ny fananany ravina tsy mora mihintsana sy mamerovero ary mitsangana ny Melaleuca quinquenerviadia. Miendrika lela lefona ny raviny henjana, izay manana halavany 5 hatramin' ny 9 sm ary sakany 0,6 hatramin' ny 2,4 sm. Manana kirana 5 mira zotra ireo ravina ireo. Fotsy sy misy volovolo ary manjelanjelatra ny ravina tanora.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Manana lavany 4 ka hatramin' ny 8 sm sy sakany 3 sm eo ho eo ny vondrombony izay mipoitra eny amin' ny tendron' ny rantsana. Amin' ny ankapobeny dia fotsy na fotsy manopy mavo (mahalana ny tena mavo) ary mivondrona tsitelotelo ny voniny. Manana ravimbony 5 tsy mitambatra, felambony 5 ary lahimbony maro (30 hatramin' ny 40, mivondrona ho amboara 6 ka hatramin' ny 9) ny ravina tsirairay. Ny tantely sy ny vorona (indrindra ny kararôka na kitrioky) ary ny fanihy no miantoka ny famindrana vovobony.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Kapsiola kely, miendrika kaopy, tsy misy volovolo, ary misy vihim-boa an' arivony ny voany.
Tsinjara toerana
[hanova | hanova ny fango]
Ny Melaleuca quinquenervia dia teratany any amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' i Aostralia, hatrany Sydney, any Nouvelle-Calédonie, ary any Ginea Vaovao. Ity zavamairy ity dia nampidirina any Guyane française, any Afrika Atsinanana (Oganda, Kenià, Tanzania), any Ejipta, ao Kamerona, ao Benino, any Malezia, any Filipina, any Vietnamy, any Indônezia, ary eto Madagasikara.