Aller au contenu

Masirasira

Avy amin'i Wikipedia
Mofo namboarina amin' ny koba misy masirasira

Ny masirasira na lalivay, amin' ny fandrahoan-tsakafo, dia iray amin' ny akora ampiasaina amin' ny koba izay miteraka fiboiboika (bolan' etona) izay manamaivana sy manalefaka ary mampitombo ny fangaro. Ny fomba hafa na fanampin' ny masirasira na lalivay dia hetsika mekanika izay ampidirana rivotra ao amin' ilay koba. Ny masirasira dia mety ho zavatra biôlôjika na simika sentetika. Ny etona vokarina matetika dia etona karbônika, na hidrôzenina koa indraindray.