Marie Ranjanoro
| Marie Ranjanoro | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Marie Ranjanoro | |
| Teraka | 1990 | |
| Toerana | Madagasikara | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | Mpanoratra | |
| Fiainana manokana | ||
I Marie Ranjanoro dia mpanoratra malagasy.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Teraka tamin'ny taona 1990 teto Madagasikara. Izy dia nianatra tao amin'ny " (IEP) Institut d'Etudes Politiques d'Aix-en-Provence''. Nanao fikarohana mahakasika ny fomba amam-panao ny Zombia. Tamin'ny taona 2019, niaraka nanao " podcast" tamin'i Hoby Ramamonjy izy nitondra ny lohateny hoe " Basy Vavy", izay nitondra ny feon'ny vehivavy malagasy.[1]
Mbola tamin'ny fahazazany izy dia efa nisehatra tamin'ny fanoratana tamin'ny alalan'ny gazetin-tsekoly. Nahazo ny mari-pahaizana bakalorea L izy, niditra kilasy fanomanana taranja literera avy eo nanohy ny fianarany tao amin'ny sampana siansa politika. Tao amin'io taranja io izy no nanoratra ny "Feux, fièvres, fôrets". Niasa tamin'ny resaka fitantanam-bola izy alohan'ny nidirany tamin'ny sehatry ny haisoratra sy famoronana[2].
Marie Ranjanoro sy ny asa-soratra
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tany ny sekoly fototra no niandohan'i Marie Ranjanoro sy ny fitiavana manoratra. Ireo asa sorany dia saika nifototra amin'ny tantara ny Madagasikara tamin'ny andron'ny fanjanahantany sy ireo zava-niseo tamin'izany vanimpotoana izany.[3] Toy ny "Feux, fièvres, fôrets"[4].
Maro ny lohahevitra hita ao amin'ny asa-soratr'i Marie Ranjanoro : ny tantaran'i Madagasikara, indrindra ireo izay tsy dia resahina loatra, ny fanjahantany, mahakasika ny vehivavy, ny kolontsaina am-bava na literatiora am-bava malagasy toy ny angano, ny ohabolana, ny fahatsiarovana ampitaina am-bava.[2]
Ny mampiavaka ny asa-sorany
[hanova | hanova ny fango]Azo faritana ho poetika ny fomba fanoratan'i Marie Ranjanoro. Manankarena sary an-tsaina ary mampifangaro ny zava-misy sy ny angano, tantara foronina ary ny tontolo ara-panahy an'i Malagasy na ny literatiora am-bava[2][5].
Ny sangan'asany
[hanova | hanova ny fango]Ireto avy ireo sangan'asany:
- Feux, fièvres, fôrets, 2023 [6]
- un livre féministe
- Fahavalo
- Madagascar 1947, tragédie oublier
Ankoatra ireo dia anisan'ny nanasongadina azy ny : "Le passé colonial est un présent politique qui structure les relations entre Madagascar et la France" [7].
Ny taona 2026, volana febroary, namoaka lahatsoratra mampifandray ny zava-nisy tamin'ny andron'ny fanjanahantany sy ny zava-misy ankehitriny (fitondrana fanavaozana) i Marie Ranjanoro : "De la relégation coloniale aux camps de migrants : le spectre malgache dans l’imaginaire occidental"[8] sy ny "Madagascar 1972-2025 : comment ne pas se faire voler sa Révolution ?" ny taona 2025[9].
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://africultures.com/personnes/?no=55489#:~:text=Marie%20RANJANORO%20est%20une%20%C3%A9crivaine,et%20les%20repr%C3%A9sentations%20du%20zombie.
- 1 2 3 https://chmg.fr/2025/10/06/entretien-feux-fievres-forets/
- ↑ https://africultures.com/personnes/?no=55489#:~:text=Marie%20RANJANORO%20est%20une%20%C3%A9crivaine,et%20les%20repr%C3%A9sentations%20du%20zombie.
- ↑ https://www.lemonde.fr/livres/article/2023/05/25/feux-fievres-forets-de-marie-ranjanoro-magie-malgache-contre-fusils-francais_6174878_3260.html
- ↑ https://www.nocomment.mg/les-critiques-delie-ramanankavana-feux-fievres-forets
- ↑ https://www.kisskissbankbank.com/fr/projects/feux-fievres-forets/tabs/description#:~:text=Le%20roman%20FEUX,l%27empire%20colonial%20fran%C3%A7ais. https://www.kisskissbankbank.com/fr/projects/feux-fievres-forets/tabs/description#:~:text=Nous%20avons%20fui%2C%20pouss%C3%A9s%2C%20loin%2C%20toujours%20plus,Mais%20c%E2%80%99est%20eux%20qui%20ont%20eu%20peur.
- ↑ https://www.pressegauche.org/Marie-Ranjanoro-ecrivaine-Le-passe-colonial-est-un-present-politique-qui#:~:text=L%E2%80%99%C3%A9crivaine%20malgache%20Marie,par%20Madjid%20Serrah
- ↑ https://histoirecoloniale.net/de-la-relegation-coloniale-aux-camps-de-migrants-le-spectre-malgache-dans-limaginaire-autoritaire-occidental-par-marie-rajanoro
- ↑ https://histoirecoloniale.net/madagascar-1972-2025-comment-ne-pas-se-faire-voler-sa-revolution-par-marie-ranjanoro