Hankany amin'ny vontoatiny

Margôzy

Avy amin'i Wikipedia
Margôzy (Momordica charantia)

Ny Momordica charantia dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Zavamaniry ahitra mianika izay ambolena any amin' ny faritra manana toetany mafana na antonony izy io sady maniry isan-taona. Atao hoe margôzy na margaoza na mafaibe ny anaran' ity zavamaniry ity amin' ny teny malagasy.

Azo hanina sady mangidy ny voany sy ny raviny ary ny vihiny. Ny mena manodidina ny vihiny ao anatin'ny voany ihany no hany manana tsiro mamy. Avy amin' ny mômôrdisinina, zavatra mitovitovy amin' ny kininina, io ngidiny io. Fantatra amin' ny fampiasana azy amin' ny nahandro sy ny fitsaboana nentim-paharazana ny margôzy, indrindra amin' ny fitsaboana ny diabeta sy ny homamiadana sasany. Izy io koa dia manampy amin' ny fampivoarana ny fahazakana tsara kokoa ny gliokôzy ary mampihena ny kôlesterôla. Ao Japana ity legioma ity dia heverina ho mahela velona.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]

Fisehony ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]
Voni-margôzy

Zavamaniry mianika sy manemitra ary maniry isan-taona Momordica charantia, izay mety hahatratra ny haavo 5 m. Marefo ny tahony ary manana tangolika tsotra. Mety misy kambim-bahatra ny fakany.

Ravi-margôzy

Mifandimby sady mitovitovy bika amin' ny ravim-boaloboka ny raviny, misy felan-dravina mizara 3 na 5 na 7. Manana fofona mahery sy mangidy ny ravina.

Vony vavy misy voany

Kely sy mavo ny voniny izay entin' ny tangozam-bony manify. Misy lahimbony telo ny vony lahy ary manana fandray vovobony telo sofina sy fihary tsiry ambany ny voniny vavy.

Voa-margôzy masaka

Arakaraka ny kinova ny endriky ny voan' ny Momordica charantia. Ny halavany dia eo anelanelan' ny 8 sy 35 sm. Rehefa masaka dia miloko volomboasary mamiratra ny voany ary mitresaka roa na telo avy any ambany ka hatrany ambony, izay mampiseho ny vihiny voafono litsoa mena, mangarahara sy toy ny hatrotro. Manaingo ny voany, saingy mampiparitaka haingana ny vihiny. Mangidy ny nofom-boan' ny margôzy. Triterpenoôida kokorbitana miisa sivy no mampangidy.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Lanja ara-tsakafo

[hanova | hanova ny fango]
Voa-margôzy (Momordica charantia)

Ity zavamaniry ity dia miavaka amin' ny fananany kalôria ambany sy ny habetsahan' ny otrikaina mahavelona amin' ny maha legioma azy. Ohatra, ny margôzy tsy tonga amin' ny fahamasahany dia mety ahitana rano mihoatra ny 90% sy tavy kely fa misy prôteinina, gliosida, vitaminina ary mineraly mahaliana.

Ny fanadihadiana manokana dia mampiseho fiovaovan' ny habetsaky ny vitamina sy mineraly miankina amin' ny fomba sy ny zava-misy momba ny fambolena azy. Ohatra, ny famakafakana natao dia nahitana kalsiôma, pôtasiôma, vy, fanitso, ary vitaminina C, vitaminina B9, karôtenôida ary asidra amine tena ilaina (na dia misy asidra amine toy ny lizinina sy metiôninina tsy dia hita ao loatra).

Mahaliana indrindra ny vihin' ny margôzy: mety misy menaka 35-40% izy ireo, miaraka amin' ny asidra matavy, indrindra fa ny asidra eleôstearika, izay asidra matavy tsy fahita firy.

Fanampin' izany, maro ny fangaro biôaktifa ambaratonga faharoa hita ao: triterpenôida, sapônina, flavônôida, alkalôida, sterôla, sns. Tsy tena tompon' andraikitra amin' ny sandan' ny angovo ireo fangaro ireo fa iavian' ny fiantraikany ara-batana aterak' ilay zavamaniry.

Ny fanadihadiana momba ny fahasamihafan' ny fototarazo amin' ny kinova dia mampiseho fa ny fatran' ny antiôksida, ny sapôninina, sarantinina (glikôsida mampiavaka) ary ny mineraly dia miovaova arakaraka ny kinova, ny toerana fambolena ary ny fomba famokarana.

Fampiasana ara-pahasalamana

[hanova | hanova ny fango]

Miady amin' ny diabeta

[hanova | hanova ny fango]
Momordica charantia

Ampiasaina amin' ny fomba nentim-paharazana ny margôzy mba hifehezana ny glisemia (siramamy) ao amin' ny ra, ary betsaka ny fikarohana nandinika an' io asany io. Ao amin' ny biby, dia naneho fiantraikany amin' ny glisemia amin' ny ra, ny fanoherana ny insolinina, ny lipôzenezy ary ny lipôlizy.

Na izany aza, ny asa mampihena glisemia ataon' ny margôzy dia mitaky fandalinana bebe kokoa mba hamaritana ny fahombiazany sy ny fatrany ary ny faharetana ilaina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]