Aller au contenu

Marchantiophyta

Avy amin'i Wikipedia
Marchantia sp.
Conocephalum conicum

Ny Marchantiophyta, Hepaticophyta na Hepatophyta na Hepaticae, dia mandrafitra ny taksônan' ny Embryophyta (zavamaniry an-tanety) izay nitahiry ny toetran' ny "razana" netsaka indrindra, tsy misy rafitra lalan-dranon-kazo. Ny Marchantiophyta dia misy karazana 9 100 maneran-tany. Atao hoe hepatika izy ireo. Sahala amin' ny Bryophyta (volombato) sy ny Anthocerotophyta, manana tsingerim-piainana anjakan' ny gametôfita izy ireo, izay tsy ahitana afa-tsy andiam-pilazana ara-pototarazo ny selany.