Ôdiseosy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ulysse)
Ulysse
Ankapobeny
Anarana Ulysse
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Ôdiseosy na Olisy dia iray amin' ireo mahery fo nalaza indrindra tamin' ny fedrà grika. Mpanjakan' i Ithaka, zanak' i Laertesy sy Antikleia, rahalahin' i Ktimena, dia nanambady an' i Penelôpa izay nananany zanany lahy, Telemakôsy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ὀδυσσεύς / Odysseús, fa amin' ny teny latina kosa dia Ulixes, avy eo Ulysses vokatry ny fahasimban' ilay teny.

Nalaza tamin' ny faharanitan-tsaina miharo hefetsena (grika: μῆτις / mêtis) izy, izay nahatonga ny toroheviny ho tena nankasitrahana tamin' ny Ady tao Trôia izay nandraisany anjara. Ity mêtis ity koa no nahatonga azy hiavaka amin' ny dia lavitra nataony tamin' ny fiverenany avy any Trôia, izay nohirain' i Hômera tao amin' ny amboaran-tononkalo atao hoe Ὀδύσσεια / Odýsseia.

Ao amin' ny asasoratra atao hoe Tranom-bokin' i Apôlôdôrôsy, izay mandamina ny fitantaran' ny fedrà grika ho amin' vondrona nalamina araka ny fotoana nisehoan' ny tantara amin' ny ankapobeny, ny fahafatesan' i Ôdiseosy, izay nambaran' ny faminaniana, dia nanamarika ny fiafaran' ny andron' ny mahery fo, sady mamarana ny fitantarana ao amn' ny fedrà klasika. I Ôdiseosy no mpisehatra ivon' ny amboaran-tononkalo Ôdiseia, izay nampitondraina ny anarany.