Tafondro

Avy amin'i Wikipedia
Tafondro

Ny Tafondro dia fitaovam-piadiana vita fantsona vy matevina. Izy io dia natao hanipy bala mavesatra : bola vato, vy na vy anidina

Ny tafondro dia fitaovam-piadiana nampasaina hatry ny taonjato faha efatra ambin'ny folo. Ny tanjon'izy io matetika dia mamotika trano na mandratra olona maro amin'ny alàlan'ny fanisiana balam-basy maromaro rehefa ampiasaina amin'ny ady. Ankehitriny ny tafondro dia ampiasaina rehefa mamely tanjona any lavitra.

Ankehitriny betsaka ny karazana tafondro ampiasaina : misy ny tafondro manipy bala be mipoaka na « obus » amin'ny teny frantsay, ary misy ny « mortier » ahafahana mamely tanjona lavitra ary ahafahana mitifitra haingankaingaka kokoa nohon'ny obusier.

Ny fanamboarana tafondro dia loharanon-doton'ny faritany miady, noho ny vy poizina ao anatin'ny bala, ary noho ny fandretana misy merkiora ary noho ny bala simika nandritry ny ady lehibe voalohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.