Sora-tanam-piraketana

Avy amin'i Wikipedia

Ny sora-tanam-piraketana dia soratra nataon-tanana amin' ny zavatra malemy toy ny papiry, ny hoditra na ny taratasy. Tsy isan' ireo atao hoe "sora-tanam-piraketana" ireo soratra apetaka amin' ny fanoratana mafy toy ny tanimanga fanoratana na ny vato. Mety penina na pensily hazo na volom-borona fanoratana na zavatra hafa no anoratana. Talohan' ny namoronana ny fanontam-pirinty (taonjato faha-15) no nampiasana betsaka ny sora-tanam-piraketana ka ny boky nivoaka tamin' izany dia tamin' ny sora-tanana avokoa. Ny sora-tanam-piraketana dia mety soratra nataon' ny mpamorona ilay lahatsoratra na nataon' ny mpanao dika mitovy. Taty aorian' ny namoronana ny fanontam-pirinty dia mbola maro ny mampiasa sora-tanana izay ampiasaina amin' ny lahatsoratra tsy natokana ho an' ny olona marobe na amin' ny soratra fanomanana (fandraisana an-tsoratra haingana, vakiraoka, sns).