Sobôrdinatianisma

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sobordinatianisma)

Ny sobôrdinatianisma na sobôrdinasiônisma dia firehana teôlôjika kristiana izay mampianatra ny maha ambany fahefan' ny Ray an' i Jesoa sy ny Fanahy Masina. Ambany fahefan' ny Ray i Jesoa noho izy noforonin' ny Ray ary noho ny Ray izay sady tsy nateraka no mihoa-draha.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe sobôrdinatianisma sy sobôrdinasiônisma dia fanagasiana ny teny frantsay hoe subordinatianisme sy teny anglisy hoe subordinationism sady avy amin' ny teny hoe subordination izay midika hoe "fahambany fahefana".

Fandrosoan' ny sobôrditatianisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny voalohany dia nenti-niady tamin' ny pôliteisma (fivavahana amin' andriamanitra maro) izay nahiahina ho voizin' ny teôlôjia vaovao, indrindra ny diteisma (fivavahana amin' andriamanitra roa), no nampandrosoana izany teôlôjia izany. Nampianatra ny sobôrdinatianisma ny rain' ny Fiangonana toa an' i Ôrigenesy sy ireo firehana tsy nanaraka ny fampianarana ny Trinite andalam-piforonana sady mbola tsy fantatra.

Niely nanomboka tamin' ireo taona voalohandohan' ny nisian' ny fivavahana kristiana izany fampianarana izany. Maro ny endrika nisehoan' ny sobôrdinatianisma teo antenantenan' ny taonjato faha-4. Tsy manao an' i Jesoa ho Andriamanitra ny mpomba ny sobôrdinatianisma ka mifanakaiky tanteraka amin' ny arianisma na endrika isehoan' ity farany izany.

Fanamelohana ny sobôrdinatianisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 381 dia nanameloka ny arianisma amin' ny endriny rehetra, isan' izany ny sobôrdinatianisma, ny kônsily tao Kônstantinôpôlisy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]