Sargôna II

Avy amin'i Wikipedia
I Sargôna II ao amin' ny lapa Dur-Sharrukin.

I Sargôna II dia mpanjakan' i Asiria tamin' ny taona 722 hatramin' ny 705 tal. J.K. (misy koa ny mandray ny taona 721-705 tal. J.K.). Taona nahafatesany ny taona 705 tal. J.K. Amin' ny fiteny asiriana izany anarana izany dia atao hoe Šarru-kīn ou Šarru-kēn ("ny mpanjaka mahatoky"). Heverin' ny mpikaroka maro ho rahalahy sy mpandimby an'i Salmanazara V izy izay mpitari-tafika tamin' ny fahaveloman' io mpanjaka nodimbiasiny io. Misy anefa ny manam-pahaizana izay milaza avy amin' ny fianakaviana hafa, noho ny nisian' ny fanoherana ny fametrahana azy ho mpanjaka. Izy no mpanorina ny dinastian' ny Sargônida.

Fanitaram-panjakana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 722 tal. J.K. dia nalainy ho eo ambany fanapahany i Israely (Samaria) ary nataony sesitany ny mponina tao. Natsahany ny fikomiana tao amin' ireo faritany siriana (Arpada sy Damasy na Damaskôsy ary Hamata) izay notohanan' i Ejipta, tap Karkara (Qarqar) sy tao Rafia (Raphia). Tamin' ny taona 717 tal. J.K. izy dia nanongana ny mpanjaka hitita tao Karkemisa ka tamin' izay no nahalasa zanatany asiriana an' io tanàna io.

Nisy ny ady tamin' i Orarto (Urartu) niantomboka tamin' ny taona 714 tal. J.K. izay ady fahavalo nataon' i Sargôna II: nanoratra ny tantaran' izany ady izany amin' ny antsipiriany i Sargôna. Tsy afany anefa ny manda fiarovan' i Orarto tamin' ny fiafaràn' izany ady izany. Na dia izany aza dia betsaka ny entana nobaboiny tamin' izany.

I Sisilia no dingana manaraka nanirahana ireo andian-tafika asiriana tamin' ny taona 713 tal. J.K.: ny fahazoany an' i Sisilia no nahafahan' i Sargôna nanitatra ny fanjakany hatrany Halisy (Halys). Nisy ny fikomiana sy ny fitroaran' ny tany amin' ny fanjakan' i Filistia, ny an' i Asdôda, ny an' i Jodà, ny an' i Môaba ary ny an' i Edôma izay namporisihin' i Ejipta nefa nofaiziny mafy izany tamin' ny taona 711 tal. J.K.. Lasa zanatanin' ny Empira asiriana i Gata sy ny Asdôda roa.

Tamin' ny taona 712 tal. J.K. dia nandray an' i Sargôna amin' ny maha mpanafaka azy ny Babilôniana: lasa mpanjakan' i Babilôna izy sady nanambady an' i Bela (Bêl).

Ny sisin-taniny tamin' i Elama ary nohamafisina ary nanoa azy i Frigia sy i Dilmona ary i Sipra (na Kiprôsy).

Maty nandritra ny ady nifanaovany tao amin' ireo tendrombohitra Taurus i Sargôna tamin' ny taona 705 tal. J.K.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]