Repoblikan'i Weimar

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin'ny Repoblikan'i Weimar

Ny Repoblikan'i Weimar dia ny anarana omen'ny tantarata ny fitondrana tao Alemaina tamin'ny 9 Novambra 1918 hatramin'ny 1933.

Io Repoblika io dia nandimby ny fandravana ny governemanta imperialy alemàna roa andro talohan'ny fiafarana ofisialin'ny Ady Lehibe Voalohany. Weimar no toerana nihaonan'ireo mpanoratra ny lalam-panorenana (izay mahatonga ny anarany hoe Repoblikan'i Weimar). Nandritra izany fotoana izany dia ny Reich Alemàna (Deutsches Reich) no anarana ofisialin'ilay Fanjakana, izay manaraka ny fotoana imperialy taorian'ny taona 1918.

Taorian'ny Ady Lehibe Voalohany, dia nivoaka taorian'ny tolom-piavotana alemàna tamin'ny Novambra 1918 ilay repoblika. Tamin'ny 1919 dia naorina tao Weimar ny antenimierampirenena ary ny lalampanorenana vaovaon'ny Reich Alemàna voavao. Betsaka ireo olana tokony novahan'ilay Repoblika vao niforona: izay ahitana ny fiakaram-bidin'entana tsy voafehy, ary ekstremisma politika.

Anarana[hanova | hanova ny fango]

Deutsches Reich (malagasy: Fanjakana Alemàna) no anarana ofisialin'ilay Repoblika amin'ny fiteny alemàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]