Ranomasina Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny eanomasina avaratra ; sarintany ara-pôlitika

Ny Ranomasina Avaratra dia singan'ny Ranomasimbe Atlantika. Any avaratr'i Eoropa no misy azy, manana velarana-na 575 000 km2 izy

Betsaka ny sambo mandeha eo amin'ny Ranomasina Avaratra, ary misy mpaka solitany sy mpanjono eo, fa lotoin'ny olona mpaka solitany ilay ranomasina, ary be loatra koa ny trondro alaina amin'io ranomasina io.

Nianjadian'ny haifomba eoropeanina amin'ny lafIn'ny fivarotana ny Ranomasina Avaratra. Ny Viking indrindra no nanjaka tamin'io ranomasina io tamin'ny taona 800 hatramin'ny taona 1100. Ny Holandey ary amin'ny farany, ny Anglisy no nanjaka amin'io ranomasina io. Ankehitriny, betsaka ny lava-tsolitany ampiasain'ny Anglisy sy ny Norvezianina eo amin'ilay ranomasina avaratra.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Vitsy ny rano lalina ao amin'ny Ranomasina Avaratra, ny halalina hita any atsimony any dia 40 m eo. Any antsinanan'i Angletera, misy lembalemba môranika ny Dogger Bank, mahatratra hatreo amin'ny -15 na -30 m eo; ary be trondro be mihitsy eo.

Morontsirany[hanova | hanova ny fango]

Any Norvezy[hanova | hanova ny fango]

Any Norvezy, rovidrovitra ny morontsiraka antsinanana sy andrefana, satria lalan-dranomandry teo tamin'ny vanimpotoan'ny ranomandry. Betsaka koa ny tany dilatra navelan'ny ranomandry rehefa nihanafana ny andro. Mitsoboka anatin'ny Ranomasina Avaratra ny tendrombohitra norvezianina; ary mammorona lakandrano izy, atao hoe fjord [fjord]. Misy nosy kely koa ny tendrombohitra mitsoboka ao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]