Ra

Avy amin'i Wikipedia
Mena ny loko ny ra rehefa mitondra diôksizena izy na rehefa misy diokzizena manodidina azy.

Ny Ra dia ranoka mitondra ny oksizena any amin'ny sela mamelona ny olombelona, ny plasma, ilay ranoka, ny tena betsaka indrindra amin'ny lafin'ny "proportion" ; misy ra daholo ny biby rehetra.

Izaraina ny diôksizena sy ny sakafo ilain'ny "tissu"[1] (O2) eraky ny vatana ny ilaina ny ra. Mitondra ny loto avoakan'ny "tissu" koa ny ra toy ny diôksida karbôna (CO2) na ny loto mizy nitirôzenina[2] makany amin'ny valahana na makany amin'ny tsinay. Ilaina mitondra ny sely miaro sy manamaritaka ny hôrmôna eraky ny vatana koa ny ra.

Ny tsoka ny manamboatra ny sela ny ra, ny anaran'ny tao manamboatra ny ra dia tenenina hoe 'hematôpoiezy' (hématopoïèse)

Mena ny loko ny ra any amin'ny biby misy taolana, Lasa mena mazava ny lokony rehefa maka ny okzizenina ao amin'ny avokavoka. Mihamaizina ny lokony mena rehefa mihavery ny diôkzizenina misy ao aminy. Rehefa jereina akaiky ny lalan-dra amina hoditra fotsy, hita fa manga ny lokony. Satria sala "filtre" ny hoditra ; ny loko manga ihany ny tsy sakanan'ny hoditra, fa mena maizina ny tena lokony, na dia ao anatin'ny lalan-dra aza.

Ny fo ny mampihetsika ny ra ao amin'ny lalan-dra. Mande any amin'ny avokavoka izy rehefa maka diôkzizenina sy mamoaka ny diôksida karbona, mizotra amina lalan-dra kely ("capillaire") maneraky ny vatana izy. Avelany amin'ny tissu ny diôksizenina dia alainy aminy ny diôksida karbona amin'ny lalan-dra kely. Mihamaizina ny loko mena ny ra rehefa tsy vitsy ny diôksienina misy ao aminy.

Manala ny poizina sy ny loto ny ra ary ny aty sy ny valaha ny hamoaka azy ety ivelany.

Any amin'ny biby manan-taolan-damosina[hanova | hanova ny fango]

Ny lokon'ny ra dia mena. Lasa mena mazavazava kokoa izy raha avy any amin'ny havokavoka. Mena ny lokony rehefa anaty fanela, lasa mena maizimaizina kokoa izy rehefa very ny diôkzizenina nentiny ho an'ny sela. Rehefa jerena amin'ny hoditr'olona fotsy ity, dia hita manga ny ra kanefa izy mena foana, na dia anaty mpamerin-dra aza. Ny hoditra no mahatonga io, satria izy tsy mamela afatsy ny loko manga.

manodina ny ra manerana ny vatana ny fo. Mandalo amin'ny havokavoka izy mba haka ny diôkzizenina ilain'ny sela sy mamoaka ny diôksida karbônina, aveo izy mizara ny diôkzizenina manerana ny vatana. Omeny an'ny sela ny ôkzizenina ary alainy ny diôksida karbonina sy ny loto avoakan'ny sela. Rehefa tsy manana oksizenina intsony izy, tsy mangirana tahaka ny izy manana ôksizenina intsony izy.

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Amin'ny fiteny frantsay ao amin'ilay lahatsoratra
  2. Azôty koa (N)
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.