Paradisa

Avy amin'i Wikipedia
I Adama sy i Eva ao amin'ny Saha Edena

Ny paradisa dia toeranam-pahasambarana ahitana ny fahamaroan' ny zavatra tsara tsy mety lany sady lavitra ny fijaliana ka handraisana ireo olona tsy nivadika amin' ny finoany. Ao amin' ireo fivavahana abrahamika (jodaisma sy kristianisma ary silamo) dia ny saha Edena no paradisa nametrahan' Andriamanitra ny olombelona voalohany, dia i Adama sy i Eva. Ny fahotan' ireo olombelona ireo no niteraka ny fahaverezan' ny toetr' ilay paradisa ka nahatonga ny fiovan' ny fifandraisana eo amin' ny olona samy olona sy eo amin' ny olona sy ny zavaboary hafa ary eo amin' ny olona sy Andriamanitra ho lasa ratsy. Ny paradisa tahaka ny endriny voalohany no antenain' ny mpino any amin' ny andro farany. Ny fiverenan' izany paradisa izany dia matetika voalaza fa ialohavan' ny fiavian' ny Mpamonjy irahin' Andriamanitra ho amin' ny fanomanana sy ny fanatanterahana azy.

Samy ahitana fanantenana paradisa avokoa ny fivavahana rehetra na dia samy hafa aza ny fiheverany sy ny finoany ny amin' izany. Ataon' ny mpivavaka hoe Fanjakan' Andriamanitra izay ho tonga any amin' ny fiafaran' izao tontolo izao ny paradisa. Ny fivavahana toy ny hindoisma sy ny jainisma ary ny bodisma dia manana ny ataony hoe nirvana izay mifanakaiky hevitra amin’ ny hoe paradisa na dia ara-panahy fa tsy toerana azo tsapain-tanana aza no hisy ny fahasambarana tondroin' izany.

Matetika dia ampifanoherina amin' ny toerana hisy ny tsy mino ny paradisa, dia ny toeram-pijaliana izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]