Ômry

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Omry)

I Ômry dia mpanjakan' i Israely (885-874 tal. J.K.) nandimby an' i Zimry sady rain' i mpanjaka Ahaba (na Akaba). Araka ny Baiboly dia mpitari-tafiky ny mpanjaka Ela i Ômry nefa nitarika ny fikomiam-bahoaka sy nandray ny fitondrana izy taorian' ny famonoan-tenan' i Zimry izay avy namono an' i Ela sady nanao ny tenany ho mpanjaka. Tsy i Ômry irery anefa no te ho mpanjaka fa tao koa i Tibny izay niady izany taminy nandritra ny efa-taona. Nanjaka nandritra ny 12 taona i Ômry. Nonina tao Tirza (na Tirtsa) nandritra ny 6 taona izy avy eo nanorina an' i Samaria ka nanao azy no renivohitry ny fanjakany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe עמרי‬ / ‘Omri izy amin' ny teny hebreo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).