Ombilahy (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Ny antokon-kintana Ombilahy

Ny Ombilahy dia antokon-kintan'ny zôdiaka izay andalovan'ny masoandro amin'ny 14 Mey hatramin'ny 22 Jona. Ny antokon-kintan'ny Ondrilahy no eo andrefany fa ny an'ny Kambana kosa no eo antsinanany.

Amin' ny teny arabo dia atao hoe اثور / Ath-Thur na Ath-Thaur ("ombilahy") io antokon-kintana io, ka avy amin' io ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Adaoro. Amin'ny teny latina sy anglisy dia atao hoe Taurus io antokon-kintana io fa amin'ny teny frantsay dia atao hoe Taureau izy. Atao hoe Ταύρος / Tauros izy amin'ny teny grika. Amin'ny teny soahily izy dia atao hoe Ng'ombe fa amin'ny teny maley kosa dia Lembu Jantan na Kerbau Jantan.

Ny evan'ny zôdiaka mitovy anarana aminy, izay ampiasaina amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 20 Avrily hatramin'ny 21 Mey ka tsy mifanaraka amin'ny zava-misy ara-kaikintana intsony ny fanandroana amin'ny evan'ny zodiaka noho izany.

Antokon-kintan'ny Ombilahy

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: