Mônôtelisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny mônôtelisma na mônôteletisma dia firehana tao amin'ny fivavahana kristiana tany aloha izay nampianatra fa tokana ihany ny sitrapon'i Jesosy Kristy, dia ny sitrapon'Andriamanitra izany, na dia manana natiora roa izy, dia ny natioran'olombelona sy ny natiora maha Andriamanitra azy. Izany fampianarana izany dia nivoatra tamin'ny taonjato faha-7 ka nanao tanjona ny hampiray ny Fiangonana kalkedoniana sy ny Fiangonan'ny Konsily telo, nefa nohelohin'ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly satria nataony hoe fampianaran-diso (herezia).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]