Muslim ibn al-Hajjaj

Avy amin'i Wikipedia
Muslim ibn al-Hajjaj
Ankapobeny
Anarana Muslim ibn al-Hajjaj
Teraka 817
Maty 6 Mey 875
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Muslim ibn al-Ḥajjāj, izay antsoina koa hoe Muslim na Imam Muslim, dia mpanoratra hadita, (muhaddith) ary manam-pahaizana arabo mozilmana. Izy no mpanoratra ny faharoa amin' ny fanangonana hadita roa azo itokisana indrindra ao amin' ny silamo sonita (aorian' ny Sahîh Al-Bukhârî), mitondra ny lohateny hoe Sahih Muslim. Teraka tao Nishapur (Persia Abasida) tany amin' ny taona 821 izy ary maty tao amin' io tanàna io ihany tamin' ny 6 Mey 875. Ny anarany feno dia Abû al-Husayn Muslim ibn al-Hajjāj al-Qushayrī an-Nīshabūrī (أبو الحسين مسلم بن الحجاج القشيري النيسابوري / abū al-ḥusayn muslim ben al-ḥajjāj al-qušayrī an-nīšābūrī).

Nandeha tany Iràka, tany Arabia, tany Ejipta ary tany Siria izy. Nandritra ny diany dia nanangona ireo lovantsofina izay noheveriny ho manan-kery indrindra izy. Niaraka tamin' i Muhammad al-Bukhari mpampianatra azy fanta-daza indrindra sady mpanoratra ny Sahih al-Bukhari, tamin' i Mâlik ibn Anas mpanorina ny iray amin' ny sekolim-pampianarana sonita efatra sady mpanoratra ny Al-Muwatta, na tamin' i Ahmad ibn Hanbal aza izy, izay, araka ny voalazan' ny lovantsofina, nitadidy hadita efa ho iray tapitrisa, izy dia heverina ho fakana tonon-tsiahy ao amin' ny sonisma amin' ny resaka siansa momba ny hadita.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.