Mpamaritra manondro

Avy amin'i Wikipedia

Ny mpamaritra manondro dia teny kely ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay entin' ny mpiteny mitarika ny eritreritry ny mpihaino na ny masony any amin' ny zavatra lazain' ny teny ikambanan' ilay mpamaritra na anantitranterana ny fampahatsiahivana izany zavatra lazaina izany. Ampiraisina amin' ny anarana matetika ny mpamaritra manondro nefa arakaraka ny fiteny koa dia mety hampiraisina amin' ny teny ao amin' ny sokajy hafa ny mpamaritra manondro. Arakaraka ny fiteny ihany koa dia mety ho andian-teny (tarika) mihitsy no faritan' ny mpamaritra manondro.

Indreto, ohatra, ny mpamaritra manondro ao amin' ny teny frantsay: ce, cet, cette, ces. Indreto koa ny mpamaritra manondro ao amin' ny teny anglisy: this, that, these, those. Betsaka noho ireo ny mpamaritra manondro ao amin' ny teny malagasy, izay amin' ny ankapobeny izay apetraka eo aloha sy eo aorianr' ny teny na andian-teny faritany, ka anisan' izany ny io .... io, ity .... ity, izany .... izany, ireto .... ireto, ireo ..... ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]