Moharamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny Moharamo dia volana voalohany ao amin' ny tetiandro mozilmana ary anisan' ny volana manan-danja indrindra izy, indrindra ho an' ny silamo siita. Io no volana ahatsiarovana ny fahafatesana maritioran' i Ḥusayn ibn ʿAlī sy ny fianakaviany. Iray amin' ny volana efatra masina ho an' ny finoana silamo ny Moharamo, ka ny telo hafa dia ny Rajaba sy ny Doalkida ary ny Doalhija. Ny anaran' io volana io amin' ny teny arabo dia محرم / Muharram. Ny volana Doalhija, izay mamarana ny taona lasa, no eo alohany, ary ny volana Safary no manaraka azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]