Mogadiscio

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mogadishu)

2°02′10″N 45°21′14″E / 2.03600°N 45.35400°E / 2.03600; 45.35400

Mogadiscio
-
Velarantany 1 657 km km2
Isam-ponina 1 353 000<ref name mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Mohamed Nur
Firenena Sômalia
Faritany NC
Faritra NC

I Mogadiscio na Mogadishu dia tanàna renivohitr' i Sômalia. Izy no tanàna be mponina indrindra ao Sômalia. Io tanàna io dia seranan-tsambo manan-danja mampifandray ny mpivarotra manerana ny Ranomasimbe Indiana nandritra ny an' arivony taona ary tombanana ho 2 610 483 ny mponina ao aminy.

Amin' ny fiteny sômaly izy dia atao hoe Muqdisho, amin' ny fiteny vadaada مُقْدِشو‎ / Muq'disho na حَمَرْ‎ / Hamar; amin' ny fiteny arabo: مقديشو‎, amin' ny fiteny italiana Mogadiscio, ary atao hoe Xamar na Hamar, eo an-toerana.

Ao amin' ny faritra amorontsirak' i Banaadir ao amin' ny Ranomasimbe Indianina no misy an' i Mogadiscio, izay heverina ho kaominina fa tsy maamul goboleed (fanjakana federaly), tsy toy ny faritra hafa ao amin' io firenena io.

Manana tantara lava i Mogadiscio, nanomboka amin' ny Andro Taloha ka hatramin' izao, izay naha renivohitry ny Soltanatan' i Mogadishu azy tamin' ny taonjato faha-9 ka hatramin' ny faha-13, izay nifehy ny varotra volamena tao amin' ny Ranomasimbe Indiana nandritra ny taonjato maro ary tonga teo ambanin' ny Soltanatan' i Ajuran tamin' ny taonjato faha-13 izay mpandray anjara manan-danja tamin' ny varotra an-dranomasina tao amin' ny Lalan' ny Landy tmin' ny Andro Antenatenany. Niroborobo ara-toekarena sy ara-kolontsaina i Mogadishu nandritra ny taonjato faha-14 sy faha-15 ary nandritra ny fiandohan' ny vanim-potoana môderina izay niheverana azy ho tanàna manankarena indrindra tany amin' ny morontsirak' i Afrika Atsinanana, ary koa ivon' ny indostrian' ny lamba miroborobo. Tamin' ny taonjato faha-17 dia lasa teo ambany fanapahan' ny Imamatan' ny Hiraab i Mogadishu sy ny faritra atsimo amin' i Sômalia. Tamin' ny taonjato faha-19 dia teo ambany vahoahoan' ny Soltanatan' ny Geledi, ary ireo imama Abgal dia mbola nitana fahefana tao anatiny sy ivelan' ilay tanàna.

Tamin' ny taona 1894 dia nanao sonia fifanarahana momba ny fandriampahalemana sy ny fisakaizana ary ny fiarovana tamin' i Filonardi tao amin' ny Kômpaniam-Barotr' i Benadir ny lehiben' ny Sômaly. Ny fiandohan' ny fanjanahantany italiana dia nitranga tsikelikely, niaraka amin' ny fifanarahana nosoniavina tamin' ny taompolo 1880 narahin' ny fifamatorana ara-toekarena teo amin' ny fokom-pianakaviana sômaly sy ny Kômpaniam-Barotr' i Benadir, ary taorian' izay ny fitantanana mivantana nataon' ny Empira Italiana taorian' ny taona 1906, ny fitantanana miaramila britanika tao Sômalia taorian' ny Ady Lehibe II. ary ny Amministrazione fiduciaria italiana della Somalia ("Fizaràn-tany ambany fiahiana italianan' i Sômalia) notantanan' i Italia tamin' ny taona 1950.

Nanaraka izany ny fahaleovantena tamin' ny taona 1960, ny vanim-potoan' ny Repoblika Demokratika Sômaliana nandritra ny fitondran' i Siad Barre (1969–1991), ny Ady an-trano sômaliana naharitra telopolo taona taorian' izay, ary tamin' ny faran' ny taona 2010 sy 2020 dia vanim-potoan' ny fanarenana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.