Masada

Avy amin'i Wikipedia
Ny sisa amin'i Masada amin'izao fotoana izao

I Masada dia toerana voaaro manda any Palestina tamin'ny Andro Taloha izay niorina teo ambony vato granita an-tampon-tendrombohitra eo amin'ny tevana atsinanan'ny tany efitr'i Jodea. tokony ho 50 km any atsimo-atsinanan'i Jerosalema. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מצדה / Mitsada, izay midika hoe "toerana voaro manda", io toerana io.

Firafitr'i Masada[hanova | hanova ny fango]

Ireo tevana ao amin'ny ilany atsinanana, izay eo amoron'ny Ranomasina Maty, dia mahatratra haavo 450 m; ao andrefana no ahitana lohasaha mirefy 100 m any ho any. Sarotra ny miditra ao amin'io toerana io. Lembalemba izy io izay mahatratra 15 ha eo amoron-tevana lalina. Miendrika telolafy mirefy 600 m sy 300 m izy. Misy rindrim-bato fotsy manana haavo 5,3 m sy hetevina 3,6 m izay misy tilikambo miisa 37 mahatratra haavo 22 m izay ahafahana miditra amin'ny trano namboarina voahodidin'ireo rindrin-bato ireo. Ny halavan'ny rindrina dia mirefy 1 300 m ka mamefy tanteraka ny tampon'ilay lembalemba.

Tantaran'i Masada[hanova | hanova ny fango]

Tao Masada ny famaharan'ireo Jiosy (ny Zelota sy ny Sikara) tamin'ny fikomian'ny Jiosy voaolohany tamin'ny taona 66 hatramin'ny 73 taor. J.K. nanohitra ny Romana. Nisy lapa voaro manda namboarin'i Heroda Lehibe mpanjakan'ny Jodea tamin'ny taonjato voalohany. Ahitana lapa mitodika mianavaratra ny manda, izay eo ambanin'ny mandan'ny toerana voaro. Ny rindrin'ny lapa dia avo sy mafy sady mitampify eo amin'ny zoron'ny tilikambo fiambenana efatra manana haavo mirefy 26,6 m. Ny ao anatiny dia ahitana efitrano sy varavarana ary toeram-piandroana. Rehefa maty i Heroda Lehibe dia nitoeran'ny tafika romana ny lapa hatramin'izay ka hatramin'ny nakan'ny Zelota ilay toerana tamin'ny taona 66 taor. J.K. Ao amin'ny lapa dia misy toeram-pitehirizana entana, fitehirizan-drano maro, fitoeram-pitaovam-piadiana sy miaramila. Rehefa azon'ny Romana i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. dia niditra tao amin'io toerana io ny Jiosy 1 000 eo ho eo, lehilahy sy vehivavy ary zaza madinika. Nanohitra ny fahirano nataon'ny Romana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 72 ka i Eleazara zanak'i Jairo no nitarika izany. Nony reraka izy ireo dia namono tena miaraka mba tsy hitolo-batana amin'ny Romana tamin'ny 2 Mey 73.

Amin'izao fotoana izao dia isan'ny vako-pirenena lehibe any Israely i Masada ka mahasarika mpizaha tany maro.