Mangoky

Avy amin'i Wikipedia

I Mangoky dia onin'i Madagasikara mivarina mianandrefana any amin'ny Lakandranon'i ̥Mozambika ao amin'ny vinanin-drano mirefy 2 000 km². Vokatry ny fihaoan'ny renirno Matsiatra sy Mananatana ity ony ity. Azo andehanana lakana ny 125 km aminy. Izy no manondraka ny faritr'i Beroroha sy Vondrove sy Befamoty ary Amborovoky.

Izy no ony lava indrindra eto Madagasikara raha refesina hatrany amin'ny toerana iporany (ao atsinanan'i Fianarantsoa), satria mirefy 822 km. Ireto ny renirano maompo azyː avy ankaviaː Sikily, Sakanavaka (mihaona aminy ao akaikin' Amokoty), Malio (mihaona aminy ao atsimo atsinan'i Beroroha), Menamaty (ao avaratr'i Bemavo), ary i Zomandao; avy ankavananaː Makay (mihaona aminy ao atsimo atsinan'i Beroroha). Mamakivaky ny Lembalemban'i Bemaraha izy ary mivarina ao avaratr'i Morombe.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]