Loko litorjika

Avy amin'i Wikipedia

Ny loko lotorjika dia ny lokon' ny fitafiana sy ny lokon' ny lamba hafa na ny an' ny fanaingoana ampiasaina ao amin' ny kristianisma mba hanomezana heviny ara-panahy am-pamantarana ny fimbafomba sy ny fankalazana amin' ny fari-potoana iray ao amin' ny tetiandro litorjika. Ny hevitry ny loko litorjika dia marin-toerana kokoa raha mitaha amin' ny endriky ny fitafiam-pisoronana. Na ny hevitry ny loko, na ny endriky ny fitafiana dia miovaova arakaraka ny kolontsaina sy ny vanimpotoana. Misy fifandraisana amin' ny lohahevitra tiana hanjaka amin' ny fe-potoana na fankalazana iray ny loko litorjika.

Ao amin' ny Fiangonana katôlika dia misy loko sasany ampiasaina amin' ny fotoana sasany: nyvolomparasy amin' ny Fiaviana (na Advento) sy amin' ny Karemy, ny fotsy amin' ny Noely sy ny Paka (na Paska), ny mena amin' ny Pentekôty (na Pentekôsta) ary ny maitso amin' ny fotoana mandava-taona (fotoana tsotra).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]