Jôasy (mpanjakan' i Israely)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Joasy (mpanjakan'i Israely))

I Jôasy na Jôasa dia mpanjakan' i Israely teo anelanelan' ny taona 798 sy 782 tal. J.K. I Jôasy dia zanaky ny mpanjakan' i Israely Jôahaza na Jôakaza sady mpandimby azy teo amin' ny fanjakana. Nanjaka nandritra ny 16 taona eo ho eo izy ka ny zanany atao hoe Jerôbôama II no nandimby azy. Tsy tokony hafangaro amin' i Jôasy na Jôasa mpanjakan' i Jodà, izay nitovitovy vanim-potoana niainana taminy, i Jôasy na Jôasa mpanjakan' i Israely.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe יְהוֹאָשׁ / Yehôʾāsh na יוֹאָשׁ Yôʾāsh izy amin' ny teny hebreo, fa ᾿Ιωὰς / Ioàs kosa amin' ny teny grika ary Ioas amin' ny teny latina. Ny hoe יְהוֹאָשׁ / Yehôʾāsh dia midika hoe "nomen' i Iahveh" "nomen' ny Tompo".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).