Jiosy Mitsrahima

Avy amin'i Wikipedia

Ny Jiosy Mitsrahima na Mitsrahima na Jiosy Mizrahy na Mizrahima dia ny taranaky ny Jiosy any Atsinanana Akaiky, any Kaokazy hatrany Azia Afovoany ary any India izay misy fizaràna ara-poko sy ara-kolontsaina maro ka tsy tokam-bolo loatra miohatra amin' ny Askenazy sy ny Sefarada. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe מזרחים / Mizra'him, izay midika hoe "Tatsinanana" izy ireo. Atao hoe עֲדוֹת-הַמִּזְרָח / Edot HaMizra'h ("Vahoaka any Atsinanana") koa izy ireo. Tafiditra ao anatin' izy ireo koa ny Jiosy arabo izay Jiosy mialokaloka any amin' ny firenenan arabo, ary ny Jiosy avy amin' ny faritra iharan' ny kolontsaina sy ny fiteny jiosy (Kaokaziana sy Tiorka sy Kiorda ary Persana indrindra). Isan' izy ireo noho izany ny Jiosy ao Afrika Avaratra, any Iràka, ny Iemena, any Iràna, any Bukhara,any India, any Jeôrjia, any Kaokazy ary any Kordistàna. Na dia samy hafa fiaviana azy izy ireo dia avy amin' ny Talmodan' i Babilôna ny lalàna mifehy azy rehetra ireo. Ny fombam-pivavahany dia manakaiky ny an' ny Jiosy sefarada sy ny Jiosy magrebina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]