Jerôbôama II

Avy amin'i Wikipedia
I Jeroboama II, araka ny Promptuarii Iconum Insigniorum (1553)

I Jerôbôama II dia mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 782 hatramin' ny 753 tal. J.K. Nandimby an-drainy Jôasy (na Jôasa) izy ka nanjaka nandritra ny 40 taona tao Israely. Nandimby azy i Zakaria zanany. Na dia nanoro hevitra azy aza ny mpaminany Hôsea (na Ôsea) sy Amôsa (na Amôsy) dia nanohy ny fitondran-tena ratsin' ireo mpanjaka nodimbiasiny izy.

Nalain' i Jerôbôama II tamin' i Arama ireo faritanin' i Amôna sy Môaba ao atsinanan' ny ony Jordana izay nalain' i Hazaela mpanjakan' i Arama-Damasy (na Arama-Damaskosy) tany aloha tamin' ny andron' ny mpanjaka Jeho. Tanteraka noho izany ny faminanian' i Jônà (na Jônasa).

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia יָרָבְעָם‎ / Yarob‘am no anarany fa amin' ny teny grika kosa dia Ἱεροβοάμ / Hieroboam ary amin' ny teny latina dia Hieroboam. Tantaraina ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ny fanjakany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).