Jehovah

Avy amin'i Wikipedia

Ny hoe Jehovah dia teny latinina nandikana ny teny hebreo hoe יְהֹוָה / Yəhōwā, iray amin' ny fomba fanasiana zanatsoratra amin' ny Tetragrama na Litera Efatra יהוה (YHWH), anarana manokan' ny Andriamanitry ny Israely ao amin' ny Baiboly hebreo/Testamenta Taloha. Heverina ho iray amin' ireo anarana fiton' Andriamanitra ao amin' ny jodaisma izy io ary iray amin' ireo anaran' Andriamanitra ao amin' ny kristianisma.

Ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana dia ny hoe Yahweh no tena nanononana ny Tetragrama tamin' ny fotoana nanoratana ny Torah (taonjato faha-6 J.K.). Very ny fanononana ara-tantara, satria tao amin' ny jodaisma tamin' ny Tempoly Faharoa, nandritra ny taonjato faha-3 ka hatramin’ ny taonjato faha-2 tal. J.K., dia nanjary tsy notononina ny Litera Efatra, ka nosoloana ny hoe Adonai ("Tompoko"). Nampidirin' ny Masôreta tao amin' ny Litera Efatra ny zanatsoratra hebreo ao amin' ny hoe Adonai, ary nadika hoe Yehowah tamin' ny taonjato faha-12 ny endriny vokatr' izany. Nipoitra voalohany tamin' ny taonjato faha-16 ny endrika avy amin' io, dia ny hoe Iehouah sy Jehovah.

Jehovah dia nampidirin' i William Tyndale voalohany tao amin' ny Eksodosy 6:3 , ary hita ao amin' ny fandikan-teny anglisy sasany tany am-boalohany, anisan' izany ny he Geneva Bible sy ny King James Version. Ny Fihaonamben' ny Eveka Katôilikan' i Etazonia dia milaza fa mba hanononana ny Litera Efatra dia "ilaina ny mampiditra zanatsoratra izay manova ny endriny voasoratra sy ny tononina amin' ilay anarana (izany hoe "Yahweh" na "Jehovah"). Ny hoe Jehovah dia miseho ao amin' ny Testamenta Taloha amin' ny fandikan-teny sasany be mpampiasa, anisan' izany ny American Standard Version (1901) sy ny Young's Literal Translation (1862, 1899); ny Fandikan-Tenin' ny Tontolo Vaovao (1961, 2013) dia mampiasa ny hoe Jehovah ao amin' ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Tsy miseho amin' ny ankamaroan' ny fandikan-teny anglisy mahazatra ny hoe Jehovah, ka ny sasany amin' izy ireny dia mampiasa ny hoe Yahweh, fa ny ankamaroany dia mbola mampiasa Lord na LORD "Tompo" mba hanehoana ny Litera Efatra.