India Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
India Atsinanana

I India Atsinanana dia faritra iray ahitana ireo fanjakàna any India toa an' i Bihar, i Jharkhand, i Bengal Andrefana, i Odisha ary koa ny faritanin' ny Nosy Andaman sy Nicobar. Io faritra io dia mifanitsy ny faritra manan-tantaran' i Magadha izay nandovany ny fiteny indô-ariàna atsinanana samihafa. Ireo fanjakana any atsinanana dia tafiditra ao amin' ny faritr' i India Avaratra-Atsinanana.

Ny Fanjakan' i Bihar sy Bengal Andrefana dia eo amin' ny Lemaka Indô-Ganjetika. i Jharkhand dia eo amin' ny Lembalemba Chota Nagpur. Eo amin' ny Ghats Atsinanana sy ny Lembalemba Deccan no misy an' i Odisha. Ny renivohitr' i Bengal Andrefana, Kolkata, no tanàna lehibe indrindra amin' ity faritra ity. Ny faritr' i Kolkata Metrôpôlitana no fahatelo lehibe indrindra ao amin' ilay firenena. Ny faritra dia hodidinin' i Botàna (Bhutan) sy Nepaly (Nepal) ary ny Fanjakan' i Sikkim any avaratra, ny Fanjakan' i Uttar Pradesh sy Chhattisgarh any andrefana, ny Fanjakan' i Andhra Pradesh any atsimo ary ny firenena Bangladesy (Bangladesh) any atsinanana. Io faritra io koa dia voafaritry ny Helodranon' i Bengal any atsimo-atsinanana. Izy io dia mifandray amin' ny Seven Sister States any India Avaratra-Atsinanana amin' ny alàlan' ny Lalantsara Siliguri any avaratra-atsinanan' i Bengal Andrefana. I India Atsinanana no manana ny harin-karena faobe fahefatra lehibe indrindra noho ny faritra hafa any India.