Havandra

Avy amin'i Wikipedia
havandra be
fiavian' ny havandra

Ny havandra dia karazana rotsak' orana miforona any anaty orambe rehefa mando ny rivotra ary rehefa mitsoka mafy ny rivotra miakatra. Kanety ny endrika alainy, ary mety ho 5 milimetatra ka hatramin' ny 10 santimetatra ny savaivon' ilay "kanety". Ny kaody METARn' ny havandra dia GR (grêle).

Fiaviana[hanova | hanova ny fango]

Ny havandra dia miforona ao anaty rivotra mafana sy mando, ary mitsingilahila eo ambonin' ny hafanana ivainganana. Ny rivotra voaainga dia lasa ampoka satria ny hafanan' ilay etona dia midina rehefa miakatra eny ambony araka ny lalàn' ny etona tonga lafatra. Ny rano ambiny dia mamorona ilay rahona ary avy eo mamorona ny orana. Mihitatra hatrany arakaraky ny herin-drivotra miakatra ny hangezan' ny havandra, ary mivaingana avy hatrany izy ireo. Mba hampivaingana ilay ranomandry dia tsy maintsy ao ambanin' ny hafanana ivainganana ny maripanan' ny tete-drano ary tsy maintsy mifandray amina vaonina invainginana. Raha tsy mahita io vaonina ivainginana io izy dia mijanona ho ranoka ary mijanona toy io foana raha mahery ny -39 °C ny maripana, io zavatra io dia afahany mihakatra any an-tapon-drahona.

Rehefa mivaingana any ambonin' ny trôpôsfera (eo ambonin' ny soson-drivotran' ny tany) manan-kafanana latsaky ny -10 °C ny tete-drano, dia lasa vaonina ivainginana izy. Amin' ilay tsindrin' ny etona fiampohan' ny ranomandry latsaky ny an'ny rano ao ambanin' ny 0 °C, ny enton-drano ao anatin' ilay rivotra miakatra izany dia mora midanizina kokoa eo amin' ny vaonina ranomandry noho ny eo amin' ny rano. Ny havandra izany dia miitatra haingankaingana kokoa noho ny tete-drano ao anaty soson-drivotra mando tahaka ny rahon' orambe.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Hijery « havandra » any amin'ny Wikibolana.

Miteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.