Guangxi

Avy amin'i Wikipedia
Guangxi

Ny Guangxi (广西 / 廣西, Guǎngxī, tsipelina : Kouang-Si) dia faritany mizaka-tenan'ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny anarany ôfisialy dia Zhuang-n'i Guangxi, fa ampatelon' ny isan' ny mponina any Guangxi fotsiny ny isan' ny olona manan-drazana Zhuang. Any atsimon' i Sina no misy ny faritanin' i Guangxi, ary mizara sisintany amin' i Vietnamy ilay faritany. Tsy mivoatra tahaka ny faritanin' i Guangdong ny faritan' i Guangxi amin' ny lafiny toekarena.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Any amin' ny tapany atsimon' i Sina no misy ny faritanin' i Guangxi. Mizara sisintany amin' ny faritanin' i Yunnan izy any andrefana, amin' i Guizhou any avaratra, amin' i Guangdong any atsimo atsinanana ary amin' i Vietnamy any atsimo andrefana.

Tanàna any amin' ny faritanin' i Guangxi [1][hanova | hanova ny fango]

Tanàna Isam-ponina tamin'ny 2006
1 . Nanning 南宁 805 718
2 . Liuzhou 柳州 772 579
3 . Guilin 桂林 670 048
4 . Beihai 北海 305 015
5 . Wuzhou 梧州 268 375
6 . Yulin 玉林 148 842
7 . Hechi (Jinchengjiang) 河池 105 286
8 . Qinzhou 钦州 102 281
9 . Baise (Bose) 百色 91 161
10 . Guigang (Guicheng) 贵港 76 614

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Faritra mizakatena dimy any Sina:

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. loharano (source) : World Gazetteer